<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>37</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Fa tsy misy fahoriana
 'Zay natolotrao anay
 Ka nitarika hakiviana
 Satria efa zakanay
 Noho'lay vesatra indrindra Mafy,
 sy manonja koa
 lzay nentinao namindra
 Raha novonoina lanao Jesoa !

[C1]
   Ny faniriam-panahy
   Hiaraka Aminao
   Hamelona ahy ho sahy
   Hiasa ho Anao
   Ny Famonjena soa
   'Zay nomenao ry Ray
   No anton'ny fiainanay

[V2]
 Fa tsy misy hafaliana
 Tena mampifaly anay
 Raha tsy ilay fitahiana
 Avy Aminao ry Ray
 Fa tsy misy koa fitia
 Hahasambatra anay
 Raha tsy lanao ry Tompo tia
 No mitoetra anatinay

[V3]
 Ny fisainanay 'zay kely
 Tsy mahatakatr'indraindray
 Fa lanao, lanao irery
 No toky iankinanay
 Ny finoana mila hivaha
 Tsy mahasedra sarotra
 Ampijoroy tsy hanahy
 Ho finoana matotra</lyrics>
<title>Fa tsy misy fahoriana FF37</title>
</song>